airtel

Sosialy

07-oct-2021

Sosialy

Kaominin’i Betafo Hanomboka ny tetikasa goavana fambolena « soja »

Sample post image

Miezaka ary manao ny ainy tsy ho zavatra ny ben’ny tanànan’i Betafo Atoa Livasoa Randriatahinamalala, ka mitady ireo fomba rehetra ahafahana mitondra fampandrosoana amin’ny sehatra maro.

07-oct-2021

 Taorian’ireo tetikasa maro samihafa efa natao, dia misy ny mpandraharaha hiara-hiasa amin’ny kaominina Betafo amin’ny fambolena « Soja » ao amin’ny distrikan’i Betafo, nanomboka tamin’ny jolay, ka efa nisy ny fanentanana tamin’ny alalan’ny onjam-peo, moto 5 ary biskileta 20 no hoentim-miasa ka mampanao fiofanana ny tantsaha ary hizara maimaim-poana masom-boly. Efa tonga omaly alina ny masom-boly 20 taonina ho an’ny vahoakan’ny distrikan’i Betafo sy Mandoto. Hangonina ny vokatra, amin’ny vidiny tsara ary haondrana any Eoropa, 160 00 ny tantsaha hisitraka izany, araka ny tafan’ny ben’ny tanàna taminay. Efa eo am-pelantanana ny antontam-baovao na ny « base de données » an'ireo mpamboly ireo (CIN, Telephone,…). Amin’ny sabotsy 16 oktobra izao no hatomboka amin’ny fomba ofisialy ity tetikasa fambolena Soja ao Betafo ity, araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna Livasoa Randriatahinamalala.
Toky R

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap