airtel

Sosialy

02-nov-2021

Sosialy

Kaominin’i Tanjombato Kotrana no iadiana amin’ny zava-mahadomelina

Sample post image

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny kaominin’ambanivohitr’i Tanjombato ny toeram-pialamboly sy fikotranana mba ho fibeazan’ireo tanora eny an-toerana izay mirefy 250 m².

02-nov-2021

Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanana, Tovo Rakotojohary, dia toerana efa nisy izy ity no navaozina ireo fotodrafitrasa rehetra tao anatiny mba ho sehatra ivelaran’ny tanora na eo amin’ny lafiny haiady izany na eo amin’ny sehatry ny kanto. Tsy manana toerana ahafahana mampiseho ny talenta sy hikarakarana vatana loatra ny ety Tanjombato, hoy hatrany ny fanazavany. Ny kely ananana izao nohavaozina sy nezahana hanara-penitra izao. Sady toerana ho an’ny haiady na “Dojo” izy amin’ny lafiny iray fa ivon-toeran’ny kanto ihany koa na hoe “centre culturel”. Iarahanay ifanapahana tsy ho ela kosa ny ho atao anarany. Tamin’ny tapa-bolana izahay ilay nivory mikasika ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fanomezana sehatra ny mpanao haiady hiady amin’izany iny ka tohin’izay ity navaozina eto Andohavato ity. Ao anatiny, araka izany, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fisarihana ny tanora mba tsy ho revon’ny zava-mahadomelina, hoy hatrany I Tovo Rakotojohary.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap