. Raha ny fitarainan'ny mponina dia efa misasak'alina hatrany matetika vao mandeha kely ny rano amin'ny paompin'ny jirama ka miteraka fahasahiranana lehibe ho azy ireo. Voatery maka rano any amin'ny faritra ivelan'ny koaminina noho izany ny mponina amin'ny andro atoandro ka tafakatra 500 ka hatramin'ny 600 ar no ividianana ny rano amin'ny bidon miloko mavo iray raha 50 ar izany teo aloha. Velon-taraina ny mponin'ivato noho io olana io satria lasa fandaniana ambonin'ny efa fandaniana mahazatra indray izay fidangan'ny vidin-drano fisotro izany. Efa nisy ihany ny vahaolana natolotry ny fanjakana tamin'ny fotoan'andron'ny ministry ny rano teo aloha hoy i gani, raim-pianakaviana iray monina eny Mandrosoa Ivato, tamin'ny alalan'ny fananganana siniben-drano lehibe hohampiasain'ny jirama saingy tsy nisy tohiny izany hatreto. Io foto-drafitrasa io anefa no hitan'ireto mponin'Ivato ireto fa tokony hamaha tanteraka izao olan'ny rano mianjady amin'izy ireo izao raha toa ka miasa ara-dalana. Manao antso amin'ny fitondram-panjakana araka izany ireo vahoaka eny amin'ity kaominina ity hijery akaiky ny hahafahana mampiasa sy mampiodina ilay siniben-drano efa mijoro eny an-toerana saingy lasa haingon-tanana fotsiny hatreto fa tsy miasa.
Pati
Legende : Toy izao ny fitateran-drano avy amin'ny faritra hafa mankeny Ivato
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.