airtel

Sosialy

23-nov-2021

Sosialy

Kaoperativa ao Vohidahy Amoron’i Mania Niofana momba ny fiompiana trondro sy fambolena kafe

Sample post image

Nahazo fampiofanana momba ny fiainana anatiny sy fitantanam-bola ny kaoperativa miisa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitr’I Vohidahy, 45km lalan-tany avy ao amin'ny distrika Ambositra, Faritra Amoron’I Mania.

23-nov-2021

 Nofanin’ny DRICC (Direction Régionale de l’Industrie, du Commerce et de la Consommation) an'ny mpikambana an'ireto kaoperativa ireto, izay miompana manokana amin'ny fiompiana trondro, akoho, ary fambolena kafe sy lavanila. Notolorana azy ny taratasy manamarika ny fijorony ara-dalàna taorian'ny fiofanana azony. Nanampy tamin'ny fikarakarana ny fampiofanana ny Fikambanana tsy miakina amin'ny Fanjakana Tsiry Mad, sy ny Tsiry Parm. Ankoatra ny asa fiarovana ny zon'ny mpanjifa, dia isan'ny andraikitry ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana ihany koa ny manome fanofanana an'ireny kaoperativa ireny, amin'ny alalan'ny Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy, hoy ny fanazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap