airtel

Sosialy

19-janv-2021

Sosialy

Kapoakam-bary Fa ahoana marina ny tantarany ?

Sample post image

Ny taonjato faha 19 tany ho any rehefa nanomboka ny fifandraisantsika

19-janv-2021

 



Malagasy tamin’ny vahiny dia nisy ny maridrefy sy famarana toy ny “décalitre”, hoy ny mpahay tantara, Hemerson Andrianitrazafy. Ny malagasy koa nanana famarana. Fomban’ny Malagasy ny mandrefy amin’ny fitaovana mitovy refy. Nony tonga ny fanjanahantany dia lasa mari-drefy ny kapoaka “nestlé”  na ilay boatina ronono mandry vita avy any Frantsa. Hitan’ny malagasy nanomboka teo hoe vary 3 kapoaka sy tapany mira 1 kilao, ary io no mbola mitohy mandrak’ankehitriiny. Tsy misy hoe didim-panjakana na lalàna fa noho ilay odidina nisy tamin’ireny fotoana ireny no nametraka izany ho azy. Niitatra hatramin’ny boatina “Gigoz” sy “cerelac” avy eo. Izay fitaovana nisy no lasa maridrefy. Taloha dabana “pétrole” koa izao no namarana rano dia izao lasa “bidon jaune”. Lasa miasa hatramin’ny boatina “madco”. Ankehitriny dia tsy maharefy ny fidangan’ny vidim-piainana isika. Anaty fahanntrana mangitsokitsoka nefa tokony ho manana indrindra. Lasa kapoaka no mametra ny olombelona. Tsy isika mihitsy no tokony hanafatra vary saingy nohabadoina moa dia lasa tsy mpamokatra fa mpivarotra sisa. Tadidio anefa fa ny zavatra miakatra tsy midina intsony, hoy hatrany ity mpahay tantara ity.

J. Mirija

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap