airtel

Sosialy

03-juin-2022

Sosialy

Karama 5 volana tsy voaloa Hitokona indray ny mpandanja fiara vaventy

Sample post image

Niverina nitokona indray ireo mpiasa eny amin’ny toerana fandanjana fiara no ny karamany tsy voaray. Vidin-katsembohany na karama efa 5 volana mantsy no voalaza fa tsy voaray. Hiakatra 72ora isan-kerinandro ny

03-juin-2022

 fitokonana raha tsy misy ny vahoaolana, hoy izy ireo. Mivarimberina ny hatrany ny olana. Ny tamin’ny 2021, 8 volana ny karama tsy voaloa raha tsy nitokona, amin’izao indray efa 5 volana.. An-tapitrisany isan’andro anefa ny vola vola ampidirinay, hoy ny mpiasa. Tena mampidi-bola, 15 tapitrisa Ar isan’andro ny vola ampidirinay, tonga dia mankany amin’ny FR (Fonds Routier). Maro ihany ny loza mitranga, kamio manao taingim-be rehefa tsy misy fanaraha-maso, hoy ireo mpiasa mpandanja fiara. Gidragidra lava vao azo ny karama Henjana izany hoe 5 volana tsy mandray vola izany, ary miandry domina amin’ny grevy sy fitokonana hatrany vao taitra. Tsy ny resaka karaman’ny mpandanja fiara ihany io fa sehatra maro. Eo ihany koa ny tsy fangaraharahana amin’ny fitantanana ny volan’ny FR. Nolazaina fa misy 400 miliara Ar ao, kanefa nahoana no tsy voaloa hatramin’ny karaman’ny mpandaja fiara. Nisy ny fampahalalam-baovao nilaza fa an-jatony miliara voahodinkodina. Ankoatra ny karaman’ny mpandanja fiara, efa an-taonany no nitaky ny fandoavana ny volany ihany koa ireo orinasa misehatra amin’ny fanaovana asa vaventy, izay manodidina ny 300 kanefa vitsy no efa nahazo. Tahaka izany ve ilay fitantanana manara-penitra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap