airtel

Sosialy

08-oct-2021

Sosialy

Karama 7 volana tsy voaray Mitokona ireo mpandanja fiara

Sample post image

Raikitra ny fitokonana fanairan’ireo mpiasa amin’ny “station de pésage” na toerana fandanjana fiara miisa 7 eny amin’ny làlam-pirenena, izay mitaky ny fandoavana ny karama 7 volana.

08-oct-2021

 Manoloana io tsy fandraisana karama io, dia manao fitokonana fanairana mandritra ny 48ora, mba hamahan’ny Fanjakana ny olana izy ireo. Milaza mantsy izy ireo, fa nanomboka ny volana janoary-septambra dia nahatratra 2 miliara Ar mahery ny vola nampidirin’izy ireo, kanefa dia tsy voaloa ny karama. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana hamahana ny olana izahay, fa raha tsy izany dia hihamafy ny hetsika, hoy izy ireo. Nanomboka omaly tamin’ny 8ora maraina hatramin’ny sabotsy hatramin’ny 8ora maraina moa io fitokonana io, ka tsy misy fandanjana fiara miasa, ary tsy mandray lamandy ao anatin’izay elanelam-potoana izay, hany ka nandeha amin’izao ireo fiara lehibe mpitondra entana tokony holanjaina omaly. Mandrahona hanitatra amin’ny ambony kokoa ny fitakiany raha tsy misy ny vahaolana. Marihina fa ny Minisiteran’ny asa vaventy no miahy azy ireo, mirotsaka ao amin’ny “Fonds Routier” ny vola miditra. 30 tapitrisa Ar eo no very mandritra ny roa andro satria 15 tapitrisa Ar isan’andro eo no voalaza fa ampidirin’ireo toeram-pandanjana fiara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap