airtel

Sosialy

27-févr-2024

Karama farany ambany

« Mety ho lasa 262.000 Ariary eo»

Sample post image

Tsy niteniteny foana izahay akory, hoy ny FISEMARE na Firaisamben’ireo mpiasa malagasy revolisionera,

27-févr-2024

raha niteny hoe 1 tapitrisa Ariary no tokony ho karama farany ambany eto Madagasikara. Nokajiana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael, ny filan’olombelona iray sy ny mpiasa nahafahana namoaka izany. Ny «budget type» na tomban’ny fandaniana moa no tena ho voizinay ka tsy hijanona izany raha tsy tratra ny tanjona. Mikasika ny fisondrotan-karama amin’ity taona ity moa dia efa vita ny fifampiresahana teo amin’ny vondron’ny mpampiasa sy ny fivondronan’ny sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara. Misy tao anaty adihevitra ireo mpampiasa tena nahatsapa fa tsy ampy tokoa io karama omena ny mpiasa eto Madagasikara hanatanterahany ny asany io. Ny marimaritra iraisana hita izany dia hoe any ho any amin’ny 10% any no mety fiakaran-karama amin’ity taona ity. 262.000Ariary eo izany no mety ho karama farany ambany. Mbola tsy ofisialy io fa mbola anaty fifandresen-dahatra. Miandry ny didim-panjakana fampiharana izany isika. Voaresaka tao moa ny hoe fiandohan’io volana martsa io izay no hampiharina. Mbola tsy miraviravy tanana aloha ny FISEMARE fa hitolona hatrany hanatrarana izany hoe karama ampy sy mahavelona ho an’ny mpiasa izany. Raha io no lazain’ny mpampiasa fa zakany dia mitodika any amin’ny fanjakana izahay mba hifehy ny vidim-piainana hafanatsahana amin’ny karama raisin’ny mpiasa. Anjaran’ny minisiteran’ny varotra no manara-maso ny vidin’ny entana eny an-tsena, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique