airtel

Sosialy

24-août-2021

Sosialy

Karaman’ny mpiasan’ny ACM tsy voaloa Ho vahana amin’ny resaka tamberim-bidy

Sample post image

Manoloana ny olana mianjady amin’ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasikara na ACM dia nihaona

24-août-2021

 tamin’ireo solontenan’ny mpiasa eo anivon’izany sy ny Randrana sendikaly tetsy amin’ny minisiteran’ny fizahantany etsy Tsimbazaza omaly ny minisitry ny fitanterana sy fizahantany, Tinoka Roberto. Nahitam-bahaolana izany, hoy ny avy eo anivon’ny solontenan’ny ACM ao anatin’ny sendika SVS, isan’ireo rantsana anaty Randrana sendikaly. Eo koa ny fiaraha-miasa hanavotana ny ACM sy ny sehatry ny Aeronotika manontolo. Manomboka anio dia efa hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministera sy ny ACM izay nanomezan’ny minisitra toky ny amin’ny fanarenana ny ACM sy ny fanavotana azy mba haka indray ny sehatra efa nananany teo anivon’i Afrika sy eo anivon’izao tontolo izao. Ny vahaolana hita moa dia efa misy ny amin’ny resaka “redevance” ho karakarain’ny minisitra izay tsy azon’ny ACM hatramin’izay. Rehefa mipetraka izay tamberim-bidy na “redevance” izay tsy hisy intsony ny olana satria fantantsika fa na mihidy aza ny sisintany dia nitombo be ny “Cargo” tao anatin’izay COVID 19 izay, hoy hatrany ny fanazavana. Araka ny fampahafantarana natao moa dia 2 volana izao no tsy nandray karama ireo mpiasan’ny ACM.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap