airtel

Sosialy

19-janv-2021

Sosialy

Kere any Atsimo 79,5 tapitrisa dolara indray no tadiavina

Sample post image

Manao antso avo iraisam-pirenena hitadiavana vola 79,5 tapitrisa dolara

19-janv-2021

 

 

 

hanampiana ny ady amin'ny kere any atsimo ny fitondrana Malagasy sy ny Vondron'ny Firenena Mikambana. Midika io, fa tsy mbola voafehy tanteraka ny kere any Atsimo. 60 tapitrisa dolara no notadiavin’ny Fanjakana ny volana desambra, ary io fa mbola misy fikarohana làlam-bola hafa indray. Ratsy fipetraka ny tombana momba ny filàna ho an’ireo mponina mazava ho azy. Nafana tato anatin’ny herinandro mahery teo ny fifindra-monina, izay nambaran’ny teo anivon’ny filankevitry ny minisitra fa efa misy foana ny tahaka izany, ary ny 30% amin’ny mponina no miala any. Nolazaina fa misy ny mamporisika ireo olona,… Efa nafana ny toe-draharaha vao nandeha ny filazana fa mitsangana ny komity iraisan’ny minisitera. Ny avy amin’ny firenena mikambana no niaingan’ny fanairana, ary ireo no mahita kokoa fa mila tohana sy fanampiana amin’ny lafiny maha olona ny vahoaka Malagasy noho ny mpitondra Fanjakana izay hafa ny zavatra maika sy laharam-pahamehana. Rehefa misy zavatra misy akony be amin’ny raharaham-pirenena, vao iny fa mikorapaka manangana rafitra sy milaza fa hitondra vahaolana.

 

 Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap