Noho ny fihinanan’ireo olona ny tsy tokony hohaniny no mahatonga izany, indrindra fa ireo foko bara. Mbola mitohy ihany anefa izany. Karazana fakan-kazo mitovitovy amin’ny ovy ala indray amin’izao no hohanin’ireo mponina any amin’ireo kaominina ambanivohitr’i Betroka, sakafo izay tsy nohanin’izy ireo hatramin’izay ka ahiana mafy ny ainy. Hanin’izy ireo manta izany nefa raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo dia tsy azo hohanina manta ny ovy ala sy ireo mitovy karazana aminy fa mahafaty avy hatrany. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hidina hanara-maso eny ifotony araka izany ireo mponina any an-toerana ary hanao tatitra mazava mikasika ny kere iainany fa tsy sanatria hanao tatitra vilana ka efa tapitra ripaka ireo zaza amam-behivavy vao hikoropaka.
Nangonin’i Pati
Legende : karazana ovy ala no lasa foto-tsakafon’ny olona sasany any Betroka
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.