raha ny fampitam-baovaon’ny zanatany nandalo tany an-toerana omaly. 1200 Ariary ny 1 kapoaka, hoy izy, nefa tena fomba fiteny ny hoe Fianarantsoa be tanimbary. 1300 Ariary fara-faha morany kosa izany tonga eny an-tsena. Efa miherina sahady ity ny volana janoary nefa tsy mbola misy orana latsaka hatramin’izao. Mbola tsy misy manetsa vary ihany koa ireo tantsaha, raha ny hita eto Antananarivo sy ny manodidina aloha hatreto. Ahiana mafy, araka izany, ny krizim-bary eto amin’ny firenena. Sanatria vao mainka ho vonoina amin’ny fanafarana koa ve ny tantsaha malagasy? Fanontaniana isan’ny mipetraka koa izany etsy ankilan’izay.
Nangonin’i J. Mirija
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.