airtel

Sosialy

07-avril-2022

Sosialy

Kit TV Solaire azo aloha tsikelikely Tolotra vaovaon'ny Canal+ sy ny Baobab

Sample post image

Namoaka tolotra vaovaobe ny Canal plus Madagascar. Hisy ary azo raisina eny anivon'ireo toeram-pivarotana mpaninjaran'izy ireo manomboka izao « Kit TV Solaire ».

07-avril-2022

 Vata fahitalavitra « écran plat 24 pouces » na « 32 pouces » izy io miaraka amin'ny jiro miisa 4 mahaleo tena, batery azo hampidirana clé Usb, miampy « decodeur » iray, « parabole » iray ary panneau solaire manana tanjaka 50 watts. 29.750 Ar monja no lelavola aloha amin'izany isan- kerinandro izany hoe : azo aloha tsikelikely. Fanampin'ireo izay tsy kely akory dia tsy mandoa abonnement mandritra ny 2 taona ihany koa ireo izay mandray anjara amin'izany raha maharitra 2 taona ihany koa ny fahafahana mandoa ny vidin'ireo fitaovana ireo. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Canal plus sy ny banky Baobab no hahafahana manatanteraka izany. Ho an'ny Canal plus manokana dia miis 71 ireo chaines sy radio azo jifaina ao aminy amin'ny alalan'ilay bouquet tongasoa. Hisy ihany koa ny chaines manokana izay natokana hanabeazana ny ankizy rano fotsiny. Tombony goavana amin'ity tolotra ity moa ny hahafahan'ireo mpanjifa mijery vata fahitalavitra hatrany na dia tapaka aza ny jiro. Hahazo tombony manokana araka izany ireo mponina any ambanivohitra tsy mbola misy herinaratra
Pati
Legende : Hanampy ny isan-tokantrano amin'ny ady amin'ny delestazy ny fananana ireto fitaovana ireto !
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap