airtel

Sosialy

22-janv-2021

Sosialy

Krizim-bary Ho mafy be ny fiantraikany afaka volana vitsy

Sample post image

Hihamafy ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena amin’ity taona ity. Ny famokarana tsy mandeha amin’izay laoniny,

22-janv-2021

 

 

 


 ny vidim-piainana tena miha midangana hatrany. Hampijaly ny vary, indrindra fa amin’ny taom-pahavaratra ho avy eo. Any amin’ny faritra maro mpamokatra vary amin’izao tsy mbola misy fanetsana mandeha satria ritra tanteraka tsy misy rano. Any amin’iny faritra Alaotra, ohatra, dia vary avy amin’ny Renivohitra no efa hampidinina any amin’ny faritra Ambanivohitra. 650Ar ny vary tranainy, ary 700Ar ny vary vao, izay vary aloha miakatra. Tany aloha, teo amin’ny 200 000 taonina isan-taona teo ny tsy fampiana ara-bary ho an’iMadagasikara, niakatra ho 500 000 taonina tany ho any ny taona 2020. Io iaraha-mahita io ny efa fidangan’ny vidim-bary, ary raha efa ny 4 desambra no nilazana sy nanomezana baiko fa mihatra manomboka ny 5 desambra ny famerana ny vidiny tsy hihoatra ny 550Ar ny kapoaka, saingy tsy tanteraka. Nambara fa ny vary 25% de brisure nafarana indray no amin’io vidiny io. Toa miovaova hatrany ny serasera, lazaina fa efa tonga ny vary, lazaina fa efa miparitaka eny amin’ny tsena, ambara fa ho tonga ny 22 janoary ny 7000 taonina,… Tsy misy fiantraikany eny an-tsena ny vary nafaran’ny mpitondra hatreto. Manam-bola sy ampy amin’ny fanafarana ahafahana tena mandrakotra ny tsena ve isika afaka volana vitsivitsy satria tsy maintsy hitombo ny filàna? Ny resaka sandam-bola miha mitotongana, ny vola vahiny hividianana sy hanafarana entana azo erirtreretina ho tsy misy firy, na koa misy fa any amin’ny fotodrafitrasa no hampiasana vola eto. Mampanahy ny hisian’ny krizy lalina, ary tsy manana politika mazava sy tsy mivaky loha amin’ny resaka toekarena ny Fitondrana, fa ny resaka velirano hanao tanamasoandro, kianja olaimpika,… aloha no maika amin’izao.

Toky R

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap
16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap