airtel

Sosialy

25-avril-2024

Krizin-drano eto Antananarivo

Tsy mba misy tetikasa hamahana azy mihitsy ve?

Sample post image

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

25-avril-2024

Vao maraina dia efa nandeha ny fandrehetana afo nanakanana ny arabe nentin’izy ireo nanehoany ny tsy fahafaliany sy itakiany vahaolana maharitra. Milaza mantsy ireo mpianatra fa tena mijaly rano ny eny Ankatso I sy Ankatso II, misy fotoana tapaka adin’ny roan a adin’ny telo, dia miverina kely, dia avy eo no tapaka indray. Amin’ny 11ora alina no mifoha, amin’ny 1ora maraina vao mahazo rano. Vokany, lasa tsizarizary hatramin’ny fianarana. Tsy ny eny Ankatso ihany, fa saika manerana an’Antananarivo io olana io. Teo ny fitanisana ireo olana ara-teknika, fahasimban’ny fitaovana, olana amin’ny fantson-drano,… fa ny tena zava-misy dia efa olana mandavan-taona satria tsy mahasehaka ny habetsahan’ny mponina intsony ny tosiky ny rano. Tany am-pananganana ny fotodrafitrasa dia mety sahaza ho an’olona 5 hetsy ka hatramin’ny 1 tapitrisa, kanefa ny mponina an-drenivohitra sy ny manodidina efa manodidina ny 3 tapîtrisa na mihoatra ohatra. Tsy tena misy ny tetikasa fametrahana toby fanadiovan-drano hanampiana ny efa misy. Nanomboka tany amin’ny 2010 no tonga ny krizin-drano mahery vaika satria tahaka io atao amin’ny jiro io ihany hoe: mihazakazaka ny fampidirana any an-tokantrano kanefa ny famokarana tsy miova, ny fitantanana miha tsy mahomby. Ilay toby famatsian-drano tetsy Amoronankona By Pass tany amin’ny 5 taona lasa no tetikasa isan’ny tsaroana faramparany fa mby aiza? Tena mandeha ve ilay izy amin’izao? Inona no tetikasa hafa hahafahana manampy ny famatsian-drano fa tsy hiaina serasera sy fialana bala lava miampy ny “tip top” lava toy ny fampiasana “bombonne” izay tsy tena mahomby satria tsy maharaka ny filan’ny olona, ary tsy mahava ny olan’ireo any an-tokantrano izay tsy mitsahatra mitomboka ny faktiora.
Toky R


 

Dans la même rubrique