sy mizara fitaovana fanadiovana ho an’ireo fianakaviana any an-toerana, araka ny fampahafantarana nataony. Tokantrano miisa 138 ao amin’ny Kaominina Nikoly no voalohany nahazo izany fanohanana izany. Tena mahery vaika ny haintany sy ny kere any Atsimo, ary efa tena mamono olona, raha ny fanamarihana. Vao andro vitsy moa izay no efa naneho hevitra tao amin’ny tambajotran-tserasera ny Minisitry ny rano teo aloha Ladislas Adrien Rakotondrazaka fa mahatratra 7000Ar isaky ny bidon 20L ny rano any amin’ny distrikan’I Tsihombe, izany hoe manome 350 000Ar/m3, raha toa mividy 415 Ar/m3 ny “Tranche” voalohany ary 1155 Ar / m3 ny “Tranche” faharoa ho an’ny tanàn-dehibe misy Jirama. Rano tonga anaty robinet anaty trano io vidiny mora io, fa ny 7000 Ar/20 litatra ilay manome 350 000 Ar/m3 dia mbola tsy ao anaty trano, hoy io minisitra teo aloha io.
Toky R
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy