Morondava, Toliara, Ambovombe, Manakara, Maevatanana, Ambilobe, Ambanja,… dia mandalo olana ihany koa ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), raha ny seraseran’ny Jirama ny sabotsy 22 aprily lasa teo. Noho ny tsy fahampian'ny solika mavesatra na “fuel lourd” enti-mamokatra herinaratra ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo dia voatery hiroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby , manomboka anio atoandro ka haharitra Ora 2 sy sasany isaky ny fanapahana izany”, hoy ny Jirama. Nomarihina fa ny atoandro ihany no hampiharana ny fahatapahan-jiro mifandimby fa tsy hisy kosa izany mandritra ny fotoana mahabetsaka ny filàna herinaratra ny hariva na ny “heure de pointe du soir”. Nambara fa efa am-perinasa mamaha ity olan'ny famatsiana solika ity ny Jirama sy ny Ministera Mpiahy ka inoana fa hivaha tsy ho ela izany ho an'ireo faritra rehetra voakasika. Tena ho izay ve sa sanatria ho tahaka hitarazoka lava. Sao hanaovana serasera sy politikan’ny fampalazana tena hoe: ny Filoham-pirenena indray no hiresaka amin’ny orinasan-tsolika dia handroso vahaolana dia miandry fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny famoaham-bola? Sanatria hatao tahaka ny lavanila?
TSISY VOLA, VAROTRA FATIANTOKA,…
Heverina ho isan’ny mahatonga ny olana ara-tsolika ankehitriny io ny tsy fahafahan’ny Fanjakana manao “réquisition” na tonga dia maka amin’ireo orinasan-tsolika. Fepetra isan’ny napetraky ny mpamatsy vola io. Mazava ho azy fa rehefa tsy misy na tsy ampy ny vola hividianana, ka tsy maintsy ferena araka izay zaka ny fandaniana. Vidiana 1150Ar/kwh eo ho eo amin’ireo mpamokatra satria tsy maharakotra ny famokaran’ny Jirama manokana, ary amidy 500Ar/kwh. Manginy fotsiny ny vola toa mifampiditra eo aminy sy ny Fanjakana. Voalaza ohatra vao tamin’ny volana martsa teo, fa mahatratra 305 miliara Ar ny faktioran-jiro sy rano tsy voaloan’ny Fanjakana amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao, raha ny voarakitry ny MPEF (Mémorandum de Politique Économique et Financière) anatin’ny revio FEC (Facilité Elargie de Crédit) iarahan’I Madagasikara amin’ny FMI. Milaza handoa tsikelikely an’io ny Fanjakana, saingy mila faktiora vita fitsirihana mazava na “factures auditées”. Ny Fanjakana etsy andaniny, mamoaka “subvention” ho an’ny Jirama manodidina ny 500 miliara Ari san-taona, eny fa hatramin’ny 600 miliara tao amin’ny FR(Fonds Routier) aza ambaran’ireo orinasa mpikojakoja làlana fa nalefa amin’ny Jirama raha ny ambaran’ny mpikamban’ny Antenimiera taminy,… Mbola izao hatrany anefa ny zava-misy! Mila hamoraina ny fahafahan’ny isan-tokantrano misitraka angovo azo havaozina mahaleotena!
Toky R
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.