airtel

Sosialy

09-mai-2025

Krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy

Nahitana fiakarany 8,4% ny vidim-piainana

Sample post image

Mitombo hatrany ny fidangan’ny vidim-piainana (inflation) teto Madagasikara raha

09-mai-2025

ny fandrefesana niainga tany amin’ny jona 2024, ka nahatratra 8,4 % izany tamin’ny volana marsa 2025, araka ny tatitry Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Io taha io dia mihoatra ny vinavina natao tany aloha, ary manamarika fitomboan’ny tsindry ara-tsosialy eto amin’ny firenena. Araka ny fanazavan’ny BFM, ny fiakaran’ny vidin’ny vary, ny entana avy any ivelany, ny entana madinika, ny vidin’ny angovo toy ny solika entona fandrehitra no antony lehibe nanosika izany fisondrotana izany. Nisondrotra mihoatra ny andrasana ny vary, niakatra 3 % ambony kokoa noho ny vinavina ny fisondrotany. Etsy ankilany kosa, ny vidin’ny angovo dia nisondrotra 4,5 %, izay ambany noho ny 6,5 % vinavinaina tany am-boalohany. Midika izany fa 2 isa no elanelana miabo amin’ny vinavina, hoy ny BFM. Namvara fa amin’ny ankapobeny, ambany 0,7 isa ny fanombanana natao raha ampitahaina amin’ny tena zava-nisy. Nampiakatra ny zanabola « taux directeur » ho 12 % ny Banky Foibe noho izany zava-misy sy ny toe-draharaha ara-toekarena manerantany tsy mazava. Nakarina 150 isa izany, ka lasa 12 % izany amin’izao fotoana. Araka ny fanambaran’ny BFM, tena ilaina izao fanamafisana ny politika ara-bola izao mba hisorohana ny fisondrotry ny vidim-piainana hihamafy kokoa, sy hiarovana ny toe-karena amin’ny loza mety hitranga vokatry ny tsy fahamarinan-toerana iraisam-pirenena. Manamafy ny tsy fahamarinan-toerana ara-toekeran’ny firenena hatrany izao, ary mampiharihary ny tsy fahafehezan’ny Fanjakana Malagasy ny sondro-bidim-piainana, tsy fisian’ny politika ara-toekerana mahomby, tsy fisian’ny politika ara-pamokarana sy famoronana harena, hany ka zary fiatrehana krizy sy fampanantenana ary fanadiovan-tena no misongadina amin’ny asan’ny Fanjakana. Taiza no mbola nisy hatramin’izay naha Madagasikara an’i Madagasikara raha tsy tamin’ny fitondran’i Andry Rajoelina hoe : niainga manodidina 2000Ar teo ny sandan’ny 1 euro talohan’ny 2009, aty amin’ny 2024 maherin’ny 5000Ar tsy misy lanjany ny vola, kanefa mbola sahiny ny milaza fa nahay nitantana izy fa raha tsy izany io efa 10 000Ar ny 1euro. Izao lazaina fa raha manana 100euro ny Malagasy iray any ambanivohitra dia sambatra. Ny karama farany ambany eto amin’io 53euros. Izany tsy fanompana sy fanesoana ny Malagasy ankitsirano !
Toky R

 

Dans la même rubrique

09-mai-2025

Navoakan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana (PNUD)

Card image cap
09-mai-2025

Tsy mitovy ny Base Toliara sy Soamahamanina, hoy ny fanehoan-kevitry ny kandida ho

Card image cap
09-mai-2025

Navoitran’ny tatitra 2025 teo anivon’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny

Card image cap