airtel

Sosialy

24-mai-2022

Sosialy

Krizy ara-tsakafo maneran-tany Tena maty ho azy eto raha tsy mamboly sy miompy

Sample post image

Manomana tetibola 30 miliara dolara hiomanana amin’ny krizy ara-tsakafo maneran-tany ny Banky Iraisam-pirenena. Atokana hanohanana ireo tetikasa efa misy sy vaovao amin’ny sehatra mifandraika amin’ny ara-tsakafo io:

24-mai-2022

fambolena, fanjarian-tsakafo, fiarovana ara-tsosialy, ny rano sy fitarihan-drano izany. Ny herinandro lasa teo no nanambaran’ny Programa maneran-tantany misahana ny ara-tsakafo fa mizotra makany amin’ny krizy ara-tsakafo goavana izao tontolo izao. Mikatso ao amin'ny seranantsambo lehibe (mer noire) ny varim-bazaha tokony haparitaka maneran-tany. Nampiato ny fanondranany varim-bazaha ihany koa i Inde. Russie sy Ukraine izay manome ny 30% ny vokatra varim-bazaha maneran-tany mbola miady. I Ukraine fotsiny anefa no mamelona olona 400 tapitrisa maneran-tany. Manaraka an’i Russie sy Ukraine i Inde. Ho zava-doza ny 2023 raha ny tombatombana, ary nanamafy ny Lehiben’ny PAM (Programme Alimentaire Mondiale) David Beasley, fa olana voalohan’izao tontolo izao ankehitriny ny resaka tsy fahampian-tsakafo. Olona 49 tapitrisa amin’ny firenena 43 no lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo, ao anatin’ny sokajin’ny IPC (Integrated Phase Qualification) faha-4 na IPC4. 18 tapitrisa ny Afrikanina lasibatra. Maherin’ny 1,5 tapitrisa avy ny any Ethiopie sy Soudan Atsimo. Ho an'i Madagasikara, voaresaka manokana ho tena anaty loza fa tsy tandindonin-doza amin'ny hanohanana tanteraka anatin’ny IPC 5. Tena manentana ny firenena mety hisitraka avy amin’io fanampiana io hanome lanja ny tetikasa mifandraika amin’ny famokarana sakafo sy zezika mba hanatsarana ny famokarana ara-tsakafo ny Banky Iraisam-pirenena, hanamorana ny fifanakalozana ary mba hanohanana ny tokantrano miaraka amin’ny mpamokatra marefo. Voizin’ny Fanjakana fa tsy sasatry ny mandresy lahatra ny tompon’andraikitra ambony sy ny mpamatsy vola eto an-toerana sy iraisam-pirenena ny Filoha Rajoelina. Mbola any amin’ny kisehoseho ivelany sy ny mamirapiratra tahaka ny kianja anefa no maika. Ny vary aza moa nolazaina fa roa taona vao miakatra ka tsy afaka hiandry izany, ny ombivavy beronono lazaina hampivadiana amin’ny omby vositra.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap