airtel

Sosialy

30-juin-2021

Sosialy

Krizy mananontanona Mety hiakatra ihany koa ny vidin-tsolika…

Sample post image

Mamofompofona fiakaran’ny vidin-tsolika ny eto Madagasikara izay mety hanampy trotraka ny krizy ara-toekarena sy sosialy efa misy ny eto amin’izao fotoana izao.

30-juin-2021

 

 

 Nambaran’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo na ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) fa efa milatsaka ambany mihoatra amin’ny vidin-tsolika mihatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenana ny vidin-tsolika mihatra amin’ny tsena anatiny amin’izao fotoana. Niakatra ihany koa, hoy hatrany ny OMH ny sandan’ny dolara, vola fampiasa amin’ny fanafarana ny solika. Mety hizotra any amin’ny fampiharana ny vidin-tsolika tena izy na “vérité de prix” ny Fanjakana sy ny mpandraharahan’ny solika raha zohiana io. Tsiahivina, fa ny volana jona 2019 no nisy fiovana farany nidina 100Ar monja ny vidin-tsolika, izay nanaovan’ny Fanjakana Rajoelina serasera manaka-danitra. Tao anatin’ny valanaretina coronavirus, izay nampitotongana ny vidin-tsolika 0-10 dolara, tsy mba nisy fiantraikany teto Madagasikara. Nambaran’ny Praiminisitra tamin’izay fotoana fa ananan’ny kaompanian-tsolika vola manodidina ny 100 tapitrisa dolara ny Fanjakana, ka ny volana septambra-oktobra 2020 teo no tokony ho voaloa izany, ary izay vao mety hisy fikitihana ny vidin-tsolika, saingy tsy nisy na 10Ar monja aza. Fomba firesaka sy fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitra maro samihafa ny hoe: tsy afaka manao tahirin-tsolika betsaka, solika efa novidiana tany aloha no amidintsika,… mba nentina hialana amin’ilay hoe tokony hisy fiantraikany aty Madagasikara ny fidinanany. Rehefa misy ny fidinany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tsy misy fiantraikany aty Madagasikara io afaka enim-bolana aza, fa rehefa misy ny fiakarany. Vao miakatra ny vidin-tsolika, dia miakatra mazava ho azy ny vidim-piainana eto Madagasikara ; amin’izao fotoana izao anefa efa tena mampikaikaika ny isan-tokantrano ny vidin’entana ilaina isan’ andro toa ny vary, menaka, siramamy, voamaina, legioma…. Ny làlana toy ny RN2 simba tsy misy fikarakarana, ny solika ,… Ny Fanjakana Malagasy ihany koa anefa etsy andaniny tratry ny tsindrin’ny mpamatsy vola, izay mametraka fepetra amin’ny tsy hanaovana fanentsenam-bidy na “subvention” amin’ny resaka jirama, solika, orinasam-panjakana,... Aiza ilay hoe: tsy mila fanampiana avy any ivelany ary tsy handroso i Madagasikara na amin’ny 2030 aza raha mbola iankina amin’ny mpamatsy vola mahazatra? Miandry ilay vahaolana TGV 100%.
Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap