airtel

Sosialy

30-mai-2025

Krizy sy fahantrana mangeja ny Firenena

«Atsaharo ny fangataham-bola any ivelany, mila mamorona asa »

Sample post image

Sahiko ny miteny fa tafakatra 85 hatramin’ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy no mahantra,

30-mai-2025

fa ny 5% no manan-katao sy mifehy ny toekarena. Tsy mandeha ny fiainana, ny orinasa tsy misy, ny tanora mivoaka fianarana tsy misy asa,… Mba firy ny orinasa eto amintsika. Raha mijery an’i Maurice dia kely noho isika, vao taty aoriana, kanefa misy ozinina 60 000 hatramin’ny 70 000, mamorona asa ho an’ny olona ao aminy, fa ny eto amintsika mpanendeka no betsaka », hoy i Lercia Mpitarika ara-pinoana, mpisehatra amin’ny fandraharahana sy ny fiainam-pirenena, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny fiainam-pirenena. Manam-bola isika fa tsy mipaka any amin’ny madinika, misy ireo manana trano amina miliara maro, fa ny maro an’isa tsy mahaloa hofan-trano na 10 000Ar aza, tsy manana asa ny tanora kanefa isan-taona mamoaka ny oniversite,... Mila ampiakarina ihany koa ny sandam-bola, tsy misy hidiran’ny any ivelany, fa ny azontsika atao dia manapaka ny fangatahana fanampiana na mampihena an’izany. Fahantrana no azontsika tamin’ny fangatahana dia hatramin’izay. Ny 80% hatramin’ny 85% amin’ny vola hampiodinana ny firenena na « budget de fonctionnement» ka tsy misy Firenena handroso amin’izany. Azo atao ny manatsahatra an’io, atao Visa any amin’ny masoivoho fa tsy any amin’ny seranana, dia voafehy io. Ny volan’i Koweït ohatra avo 15 000 amin’ny antsika, tsy miteny ny euro sy dolara fa afaka miteny azy angaha ny Eoropeanina sy ny Amerikanina ? hoy i Lercia. Tsy sahy manao fanapahan-kevitra isika satria matahotra ny mpitondra, manahy amin’ny fidiram-bola eto, manahy ny tombosoany satria antsoina mangingina any, tsy afaka miaro ny tombotsoan’ny firenena sy ny vahoaka,… Ny orinasa stratejika toy ny SOLIMA nomena ny vahiny tamin’ny alalan’ny « privatisation ». Tamin’ny andron’ny HVM, ohatra, nikasa hanafatra solika mivantana hampiodinana ny Jirama, mety 800Ar eo ny litatra tafiditra eto, kanefa tonga dia tratry ny fandrahonana hoe : tapahanay ny fanampiana ara-bola amin’io vao miditra amin’io. Aminy, mila ahena ny fandanindaniam-poana sy mihoampampana. Anisan’ireny ohatra, ny fiara handaniana hatrany amin’ny 30 na 40 miliara Ar isaky ny minisitra amin’ny resaka solika fotsiny fa moa mba misy vokatra ? Mbola resaka hafa ny kojakoja samihafa,… Namafisiny fa tena tsy misy fitsinjaram-pahefana, tsy misy fitsinjarana ara-bola, kanefa ny fandanindaniam-poana aty ambony mihoampampana loatra. Raha te handroso dia tena mila miditra amin’ny politikan’ny fitsitsiana sy mijery izay tena mahasoa, ary tsy voatery hanao minisitera be dia be fa izay sehatra tena hivoahana amin’ny olana sy fahantrana no hamafisina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Asa fihariana maro no maty eto amintsika nefa mamelona ankohonana an'aliny.

Card image cap