airtel

Sosialy

18-nov-2026

LA GRANDE

BRADERIE DE MADAGASCAR

Sample post image

Tranoheva manodidina

18-nov-2026

ny 250 isa no handray anjara
Vonona hanome fahafaham-po ny mpanjifa mandritra ilay hetsika ara-barotra La grande braderie de Madagascar ny Madavision izay mpikarakara. Ny datin’ny 18, ny 19 ary ny 20 Desambra ho avy izao no hanatanterahana izany eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriambe eny Ivato na ny CCI manana tanjona hanala fahasahiranana ny Renim-pianakaviana rehetra amin’ny fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoana mampavaivay ny fitohanana eto an-drenovohitra mantsy ireo daty ireo raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra omaly. Atahorana ihany koa ny mpanendaka sy ny mpangarom-paosy antony hamondronan’izy ireo ireo tranoheva mihoatra ny 250 isa eny amin’ny CCI. Ho hita mandritra ny La grande braderie de Madagascar avokoa araka izany ireo karazana kojakoja rehetra ilaina mandritra ny fety manomboka any amin’ny fitafiana ka hatrany amin’ny kilalao ho an’ny ankizy. Toraka izany koa ny kojakojan-tokantrano....hialana amin’ny fivezivezena mandany fotoana sy ny havizanana.
Pati
Legende : Ho hita mandritra izany koa ny karazan -tsakafo samihafa !
 

Dans la même rubrique