airtel

Sosialy

25-mai-2022

Sosialy

La Réunion kely Mijaly amin’ny hatsiaka sahady ny mponina

Sample post image

Manomboka miditra mian-dalana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka isika ankehitriny. Na izany aza efa tena mamirifiry tanteraka izany antony mampahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka,

25-mai-2022

ny sery mahery….Ho an’ny mponina etsy La Réunion kely dia saika voan’io aretin’ny taovam-pisefoana avokoa ny ankizy madinika, raha araka ny fanadihadiana natao. Vokatry ny hatsiaka no antony mahatonga izany izay nomarihin’ireo mponina fa miampy ny fofona maimbo eny an-toerana ateraky ny tsy fisian’ny trano fivoahana. Raha tsiahivina mantsy dia tsy manana trano fivoahana ireo mponina eny La Réunion kely fa manamorona eny rano mandeha iny ihany no manao izany. Tsy lavitra eo anefa fa eo amin’io toerana io ihany izy ireo no manasa lamba sy mivarotra ireo karazana kojakoja maro samihafa ilaina toy ny tavoahangy…. izay marihina fa notsipinina teny amin’ny zaoridira avokoa. Marihina moa fa vao 20 mahery eo raha misy ilay kaontenera nomen’ny Minisiteran’ny mponina navadika ho trano hitoeran’izy ireo. Ny ankoatra izay dia saika trano scahet plastika avokoa izay mitombo andro aman’alina noho ny hamaroan’ireo olona tsy mahaloa hofantrano.
Pati
Legende : Mafy ny mahazo ireo mponina ao La Réunion kely
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap