airtel

Sosialy

09-nov-2021

Sosialy

La Réunion kely Mitaraina amin’ny hafanana sy ny fofona ny mponina

Sample post image

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hafanana tanteraka isika ankehitriny. Anisan’ny tena mitondra faisana ao anatin’izany ireo mipetraka amin’ny trano vy toy ny iainan’ireo mponina etsy La Réunion kely Ampefiloha.

09-nov-2021

 Amin’ny atoandro raha araka ny fanazavan’izy ireo no tena mampamaivay ny hafanana izay mila tsy ho zakan’ireo kilonga madinika sy zokiolona. Ankoatra izay hoy ireo mponina dia mila tsy ho laitra ihany koa ny fofona sy ny lalitra. Saika amin’iny moron’ny lakan-drano iny avokoa mantsy no manao maloto ny ankamaroan’ny mponina noho ny tsy fananana toeram-pivoahana. Misy trano fivoahana ho an’ny daholobe ihany eny an-toerana saingy 100 Ar ny mivalan-drano indray mandeha monja….Vokany, manahy mafy ny amin’izay mety ho toe-pahasalamany ny mponina. Notsiahivin’izy ireo aloha fa mbola tsy nisy tratry ny valan’aretina Covid 19 izy ireo saingy anisan’ny aretina matetika mpahazo azy ireo kosa indrindra fa ny ankizy madinika ny aretin-kibo izay mampanahy be ihany amin’izao vanim-potoanan’ny hafanana izao.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap