120 tapitrisa iraimbilanja eo ho eo anefa dia mahavita fonenana manara-penitra na « logement social » iray mafy orina na « en dur », hoy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena iray. Ny totaliny mahavita « logements Sociaux en durs » na trano mafy vita amin’ny biriky sy simenitra 40.000 isa manerana an'i Madagasikara dia 247 tapitrisa dolara. Lazaina tsy tia fandrosoana moa izay mitsikera. Ny Minisitra sy depiote tsy miaro vahoaka fa mety hono io, hoy hatrany ity fanehoan-kevitra ity. Ny famindrana ireo mponina dibo-drano lava ireo no tokony atao maika fa tsy kianja manara-penitra, hoy kosa ny tekinisianina momba ny asa vaventy. Lahatra Andriamahatsangy. 100 tapitrisa dolara fara-fahakeliny no lany amin’ny fanarenana, hoy izy. Mety ho mihoatra aza. Ajanony aloha ny teleferika dia andao hanao foto-drafitrasa ilain’ny vahoaka maika toy ny trano, lalana, CSB sy ny maro hafa. Tena mila mandeha any amin’ny maika sy laharam-pahamehana ny fitondrana fa tsy maika hanao fotodrafitrasa mora simba sy difo-drano lava izao. Tsy sarotra ny fanorenana manohitra rivodoza na “construction anti-cyclonique” fa finiavana no tsy ampy, hoy hatrany i Lahatra Andriamahatsangy.
J. Mirija
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.