Ny olana, hoy ny filohan’izy ireo, Lalaina Razafindralambo, dia fikambanana izahay fa tsy mpiasam-panjakana. Mivelona anaty latsakemboka. Olana faharoa ny tsy mbola fananan’ny fikambanana ny antsoina hoe “agrément”. Alalana entin’ny fikambanana hiaro ny mpanjifa io. Hitondrany ny tsy mety hitany eny anivon’ny fitsarana. Be dia be ny tsy rariny eto amin’ity firenena ity. Eo ny olan’ny JIRAMA, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny olana eo amin’ny fifandraisan-davitra na Orange io na Telma na Airtel. Kely dia kely ny fahefanay manoloana izany ary antony mahatonga anay miady hatramin’ny farany hoe ampitomboy ny fahefanay. Vanim-potoanan’ny fifidianana isika izao. Tsy ekena intsony ny hoe vahoaka malagasy atao tohatra, hoy hatrany ny MCI.
J. Mirija
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.