airtel

Sosialy

28-mars-2024

Lalana 500m eny Andranambo Ambodihady

Noraisin’ny depiote Todisoa an-tànana ny fanamboarana

Sample post image

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

28-mars-2024

fahaenina eto Antananarivo, niditra an-tsehatra nandray an-tànana ny fanamboarana izany ny Depiote Todisoa Andriamampadry, izay voafidy teny an-toerana. Mirefy eo amin’ny 500m eo izany làlana izany. “Lalana tsy nisy nijery amam-polo taona maro, sady ratsy no malama ary feno ranom-potaka no natao ary ho vitatsika tsy ho ela. Tonga teny tenanay nijery sy nanara-maso ny asa ary nanentana ny vahoaka mba hikolokolo izany. Nisitraka asa sosialy sy fotodrafitr'asa daholo ny fokontany rehetra 31 teto Ambohimanarina ary mbola hisy ny manaraka”, hoy ity solombavambahoaka ity. Ny tenany izay matetika no manipika fa tsy andraikitra fa adidy amin’ny vahoaka, izay raha halalinina dia tsy tokony ho anjaran’ny depiote izay mpanao lalàna no manamboatra làlana sy fotodrafitrasa, saingy ataony mba ho fanasoavam-bahoaka, rehefa tsy hanao ny mpanatanteraka. “Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy”, hoy rahateo ny fomba fiteniny, izay maneho fa zava-dehibe ny fifanomezan-tànana mba ho an’ny soa iombonana. Talohan’izao dia ny teny Ankazomanga, Anosivavaka,… no notsidihiny nijerena ny fahavitana sy fizotran’ny fanamboarana ireo làlana nanaovan’ny vahoaka antso avo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap