raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana omaly. Eo ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana. Manaraka izay ny drafitra lasitra entina mampiroborobo ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana, ny fifanarahana. Ny sampan-draharaha misahana ny fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana no fahatelo ary farany ny momba ny sata mifehy ny asan'ireo mpiasa an-dranomasina, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Etsy ankilany moa dia mamaramparana izay fivoriana an-tampony momba ny asa miaraka amin’ny OIT na rafitra iraisampirenena momba ny asa izay ny solontenan’ireo firenena mikambana anatin’izany tonga any an-toerana ankehitriny. Nivoaka ny fehinkevitry ny OIT fa ny eto Madagasikara kosa dia andrasana amin’ity anio ity ihany koa ny fanehoan-kevitr’ireo sendika sy ny fepetra ho raisiny manoloana ny didim-panjakana mikasika ny mari-karama eto amintsika.
J. Mirija
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.