airtel

Sosialy

21-déc-2021

Sosialy

Lalàna vaovao momba ny fananan-tany « Ara-dalàna io, nantsoina firaisamonim-pirenena fa nandà”

Sample post image

“Voarain’ny Minisiteran’ny Fanajariana nyy tany sy ny fananan-tany (MATSF) tokoa ireo ahiahy sy fitarain’ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny Fiarahamonim-pirenena izay nanao fanambarana taorian'ny famoahana fampananan-kery ny Lalàna n° 2021-16,

21-déc-2021

 izay manitsy ny Lalàna n° 2006-31 », hoy ny MATSF tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo mikasika ny adihevitra momba ny lalàna vaovaon’ny fananan-tany… Na manan-karena, na mahantra, ny Tanindrazana no sisa mitoetra raha sanatria ka very avokoa ny teo ampela-tànana… Ambonin’izany araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ny zo hanana fanànana dia zo fototra izay iantohan’ny fanjakana ny fiarovana azy. Noho izany, amin’ny alàlan’ny fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fitantànana ny fanànan-tany, dia napetraka ny paik’ady vaovao amin’ny fitantànana ny tany mba hankatoavana ny zon’ny fampiasana ny tany avy amin’ny fifandimbiasan’ireo razana tany aloha, izay mitandro amin’ny alàlan’ny fanamarinana ny fanànan-tany ny fomba fampiasana ny tany ataon’ireo tantsaha rehetra amin’ny ankapobeny, hoy ny fanazavana. Taorian’ny nandaniana ity volavolan-dalàna ity dia niantso ny ankamaroan’ireo Fiaraha-monimpirenena ny MATSF mba hifandinika amin’ny hametrahana ireo fepetra hampiharana ity lalàna ity, saingy ninia nanda ny fanasana izy ireo, fotoana iray izay nahafahan’izy ireo naneho ny heviny mahakasika ny andinindininy momba ny Lalàna, hoy ny MATSF. Raha toa ka mahagaga tokoa izany safidin'ny Fiarahamonim-pirenena izany izay misafidy ny tsy hanatanteraka ny andraikiny fa hirotsaka amin’ny kilalao politika tsy ao anatin'ny iraka ampanaovana azy, dia tsy afaka miasa amin’ny fomba mifono fandrahonana tahak'izany ny fanjakana ary tsy maintsy miroso, hoy io setriny io. Ireo Lalàmpanorenana izay nifandimby dia namaritra hatrany fa ny Fanjakana irery ihany no mitàntana ny tany tsy manan-tompo eto Madagasikara (Andininy faha 34 ny Lalàm-panorenana 2010), ary ny MATSF, izay Ministera miadidy ny sampan-draharahan’ny Fanànan-tany, no miantsoroka izany. Tsy kisendrasendra arak'izany raha toa ka tetikasa tantanan'ny Minisitera ny fividianana sary tany azo avy amin'ny zanabolana ho fampiharana io Lalàna vaovao io, hoy ny ampaham-panazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap