airtel

Sosialy

07-déc-2022

Sosialy

Lalao Krismasy sanjila an’ny MVola Hizarana hatramin’ny 5 tapitrisa Ariary

Sample post image

Tsara vintana miisa 131 no hosarihina ao anatin’ny lalao atsapaka antsoina hoe “Krismasy sanjila” iarahana amin’ny orinasam-pifanakalozam-bola MVola,

07-déc-2022

araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo omaly. Manomboka eto, hoy ny fanazavana, dia hisy olona miisa 4 isan’andro tsara vintana hahazo 20.000 Ariary raha voasarika aorian’ny fampiasany ireo tolotra anatin’ity fomba fifanakalozam-bola ity toy ny fandraisana CB2MVola, ny tolotra Bank to MVola, ny fandoavana faktiora amin’ny alalan’ny MVola sy ny maro hafa. Hisy tsara vintana ho voasarika ihany koa izay manokana rehefa tapitra ny herinandro ka hahazo 1 tapitrisa Ariary fa izay tena be sanjila indrindra kosa dia hahazo 5 tapitrisa Ariary rehefa raikitra ny fisarihana goavana farany ny 23 desambra 2022 izao. Ho taterina isan’andro ao anaty tambazotran-tserasera Facebook moa ny andinindininy mikasika ity lalao ity, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpikarakara, ary tanjona ao anatiny ny hiatrehan’ny rehetra fety sambatra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap