airtel

Sosialy

10-janv-2022

Sosialy

Lanaky ny dia an-tongotra Vehivavy nitondra zaza nitsirara tsy nahatsiaro tena

Sample post image

Vehivavy iray no mitsirara tsy nahatsiaro tena intsony kanefa niaraka tamin'ny zanany vao enim-bolana monja no sendra hitan'ny Polisy avy amin’ny CSP 8 nanao fisafoana

10-janv-2022

 tetsy amin'ny lalam-baovao Rocade eny Andranobevava omaly alahady. Namonjy azy mianaka avy hatrany ireto Polisy ary tamin'izany no nahafantarana fa lanaky ny hanohanana sy sy havizanana ny Renin'ilay Zaza ka nahatonga azy tsy nahatsiaro tena intsony. Nilaza izy fa nandeha an-tongotra avy any Andriampamaky ho any Anosizato rehefa noroahan'ny rafozany hiala ny trano ary hody hamonjy ny fianakaviany. Nitsetra azy mianaka ireto ny Polisy avy ao amin'ny kaomisaria Analamahitsy ary niantoka ny sakafo atoandrony mba hahafahany mahazo hery indray. Naterina teny amin'ny toeram-piantsonana mihazo an'Anosizato indray izy aveo ary niantohana ny saran-dalany hahafahany namonjy ny fianakaviany.

Toky R

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap