airtel

Sosialy

21-juil-2022

Sosialy

Lavanila any SAVA Efa marin-toerana ny vidiny 75000Ar…

Sample post image

Marin-toerana amin’ny vidiny 75000Ar isan-kilao ny maitso any amin’ny renivohitr'ity vokatra ity eto Sambava, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.

21-juil-2022

Torak'izany ihany koa any amin’ireo distrika hafa mandrafitra ny faritra SAVA. Nandalo ady hevitra sy fahasahiranana samihafa ny fametrahan'ny fitondrana io vidiny 75000ar io ho an'ny tao SAVA ary mbola mbola misy tarazon'izany vitsivitsy any amin’ny faritra Analanjirofo, tahaka ny ao Maroantsetra, eo ihany koa ny any Nosy Varika, faritra Vatovavy, hoy hatrany ny tatitra. Samy miaiky kosa fa ara-drariny, mitsinjo ny tantsaha ary samy mahazo tombony ao anatin'izany na ireo mpamboly na ireo mpandraharaha sy mpisehatra amin’ny lavanila. Zava-dehibe namahana ny olana tao Sambava ny fifandresen-dahatra sy fifampihainoana. Varotra rahateo ny resaka, misy ny adi-varotra. Velom-bolo ny tantsaha satria tafapetraka ary ifaneken'ny rehetra ilay 75000ar isan-kilao, hoy indray ny akony omaly. Tsy misy intsony ny sakan-dalana na fanehoan-kevitra isan-karazany mikasika io vidiny 75000Ar io. Mirohotra any ireo tanàna samihafa fanagonam-bokatra sy fivarotana izany ny mpividy. Nofinofy ny andro vitsivitsy lasa, nisian'ny sakantsakana namarotana ny lavanila maitso. Fahombiazana hoan'ireo tantsaha sy mpandraharaha miaraka amin’izao fotoana izao ny tontolon'ny lavanila any amin’ny faritra SAVA. Miroso amin’ny famahana ireo olana manodidina ihany koa ny any Maroantsetra sy ny distrika hafa ao Analanjirofo, eo ihany koa ny any Nosy Varika, hoy hatrany ny fampitam-baovao omaly. Samy maniry ny hisian’ny fitoniana sy fahamarinan-toerana ny rehetra. Malalaka arak'izany ny fambolena sy fiotazana , ny famarotana ary ny fanondranana lavanila any SAVA sy Analanjirofo sy ny toerana hafa, hoy ity akom-baovao omaly izay nilaza fa diso ny fivoizana ara-politika mandeha momba ny lavanila.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap
22-avril-2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Card image cap
19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap