airtel

Sosialy

30-mai-2025

Lercia

«Marary ny vahoaka, tsy maintsy »

Sample post image

mitsangana handrodana rehefa feno ny kapoaka

30-mai-2025

Very hevitra ny vahoaka Malagasy amin’izao. Tsy hoe tsy tia firenena fa ny mpitarika ny olana. Tsy hoe manohitra ny vahoaka, fa misy zavatra tsy zakany. Tsy maika handrodana fitondrana ny vahoaka, hanangana fa tsy handrodana, fa rehefa tsy mety ny zavatra ataony, dia tsy maintsy mitsangana ny vahoaka handrodana. Hamarana ny taom-piasana faharoa izao ny fitondrana, fa inona no vokatra ? Miha sahirana sy miha potika ny fiainam-bahoaka, tsy zaka intsony ny vidim-piainana, manjaka ny kolikoly sy fanararaotana. », hoy Atoa Lercia mpitarika ara-pivavahana, mpandraharaha sady mpisehatra amin’ny fiainam-pirenena. Notsipihiny anefa fa rehefa misy mpitarika dia miroso, kanefa ny mpitarika tsy tia tanindrazana fa tia tena no betsaka, ka mandiso fanantenana, raha tsy hiresaka afatsy ireny tamin’ny hetsiky ny depiote 72 ireny. Rehefa nomena toerana tamin’ny fanomezana minisitera dia nangina, kanefa nisy olona maty, nisy naratra. Nahitsy izy naneho fa ny mpitondra tsy mijery ny tombotsoan’ny rehetra. Manana ny maha izy azy isika, ary manan-karena ny Firenena, kanefa mahantra eran-tany ny vahoaka, tavanin’olom-bitsy ny harena. « Ny henom’omby avy aty amintsika amidy 700 000Ar any Chine, ny sinoa mandefa entana tsy fantatra. Tany Toliara aho iray volana sy tapany, miainga any Soahazo, nandalo an’Ankililaoka, Tsianisiha, Ambolomelaka,… ireo camion fourgon mihidy mivantana amin’ny seranana, misy sambo miandry ao. Tena nahita an’izany aho tany, tsy fantatra izay ao anatiny, tsy misy fitsirihana, mety harena, vato, zavatra hafa », hoy i Lercia rehefa avy nitsidika toerana maro teto amin’ny Nosy. Ny resaka Base Toliara, lasa bizinesy sy fitadiavam-bola, misy mitabataba fa mahazo vola kely dia mangina. Raha tena hay ny nijery ny vahoaka na misy aza ny fanoherana mety tsy tahaka an’io. Ambaran’ny manam-pahaizana fa misy taratra « radioactif », kanefa maninona ihany koa no hisisihana ary inona no tombotsoan’ny Firenena, hoy izy. Inona hoy izy no niafaran’ny Kraoma tao Brievielle? Karana izao no mitantana azy, kamio an-jatony ny mitatitra isan’andro. Orinasa natanjaka izany tamin’ny Fitondrana Ratsiraka ka aiza ny niafarany, nankaiza ireo mpiasa, aiza ny vola miditra amin’ny Malagasy,... Any Befandriana-Antsohihy, miakatra ny kraoma, tsy fantatra hoe : firy taonina isan’andro, fa aiza ny tamberiny, aiza ny tombotsoan’ny Firenena,… Ara-tsosialy, sahirana ny tanora, betsaka no mivoaka fianarana fa tsy fantatra hoe hanao inona. Ny zo fototra mahaolona tsy misy, ny any amin’ny Fitsarana betsaka ny olana sedrain’ny olona, ny mahantra no tena migadra, ny fitsaboana sy fahasalamana tsizarizary,…
GABORARAKA NY FITANTANANA
Mahantra isika satria gaboraraka ny fitondrana. Betsaka ny fitrandrahana volamena, toa an’i Maevatanana, Ampasimbe Moramanga, izay ny sinoa no tena manao azy, mampiasa fitaovana raitra, kaofina izay azony, ny Malagasy hasarotina, be kolikoly,... Dingana 3 dia mety hanova zavatra : foanana ny fandoavam-bola amin’ny Hopitaly rehetra satria eto Madagasikara tsy ny aretina no tena mahafaty fa ny tsy fahafahana mitsabo. Tena misy dikany be amin’ny Firenena izany. Atsy Maurice ohatra, maimaimpoana ny fitsaboana, mafonja ny fandraisana an-tanana ny marary, mora ny mandefa olona hotsaboina any ivelany izay iantohan’ny Fanjakana tanteraka. Tokony hisy ezaka ataon’ny Fanjakana amin’ny fampianarana satria tena sahirana ny zanaka Malagasy. Mila ampiakarina ny sandam-bola amin’ny alalan’ny fampihenana sy fanafoanana ny fitrosana sy fangataham-bola lava avy any ivelany,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Niteraka resabe ny fihetsika nasehon’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo izay nitady

Card image cap