airtel

Sosialy

10-juin-2022

Sosialy

Madagasikara 65 hatramin’ny 67 taona ny taham-pahavelomana

Sample post image

Faha 13 aty Afrika ankehitriny i Madagasikara raha resaka fananana taham-pahavelomana maharitra no resahana,

10-juin-2022

 hoy ny avy eo anivon’ny sampan-draharaha tsy miankina amin’ny fanjakana ONG ZIXWAB tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly raha nampahafantatra ny tetikasan’izy ireo mitondra ny lohateny hoe “Zone bleu” mba hananana fomba fiainana feno fahasalamana hahatrarana ny faha 100 taona. manodidina ny 65 hatramin’ny 67 hatreto ny taham-pahaveloman’ny malagasy, hoy ny Dr Yves Raveloson, izay tompo-kevitra amin’ity tetikasa ity. Io, hoy izy, no antotan’isa azonay tany amin’ny INSTAT. I Japon kosa no firenena maro olom-pirenena velona mihoatran’ny 100 taona. Hisy moa ny fampiofanana ara-pahasalamana omen’izy ireo eny amin’ny Espace Manambina Amboditsiry ny 12 hatramin’ny 16 jona izao isaky ny amin’ny 5 ora hariva ka lohahevitra amin’izany ny hoe “100 taona, salama tsara”, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Legende: Ry zareo ao amin’ny ZIXWAB

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap