airtel

Sosialy

02-déc-2024

MADAGASIKARA

Haidina ho 28,6 % ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo

Sample post image

Mbola mahatratra 39,8% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ireo ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika.

02-déc-2024

Ny any amin’ny Faritra Analanjirofo no ahitana azy ireo betsaka indrindra raha araka ny fantatra. Mbola mahatratra 36% -n’ireo ankizy latsaky ny 5 taona mantsy no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka any an-toerana. 11% kosa ireo lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika raha 24% ireo tsy ampy lanja, tarehimarika azo tamin’ny taona 2021. Anisan’ny antony nisafidianana ity Faritra iray ity nankalazana ny androm-pirenena ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo izany afak’omaly Sabotsy faran’ny volana Novambra. Nambaran’ny Profesora Vololona Hanta Marie Daniel, mpandrindra nasionaly eo anivon’ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa ezahina haidina hatrany amin’ny 28,6% io tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy lasaky ny 5 taona eto amintsika io. Tsiahivina moa fa nomarihina tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny faha-20 taona nijoroan’ny ofisiam-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo na ny ONN.
Pati
Legende : Eto amin’ny Faritra Analanjirofo no betsaka ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo indrindra !
 

Dans la même rubrique