airtel

Sosialy

14-juin-2021

Sosialy

Madagasikara Ny 27% n’ireo zaza tsy ampy taona no miasa

Sample post image

Ny 27%-n’ireo zaza tsy ampy taona 5 ka hatramin’ny 17 taona no fantatra fa efa misehatra eo amin’ny tontolon’ny asa sahady eto amintsika.

14-juin-2021

 

 

 Ankoatra ny asa fikapoham-bato dia tsy vitsy ireo efa mivelona amin’ny tsaka rano, amin’ny asa fivarotana enta-madinika maro isan-karazany raha tsy lazaina intsony ireo terena hangataka ho fandraisany anjara amin’ny fampandehanana ny fiainana ao an-tokantrano. Ho an’ireto farany manokana dia mitombo isa isan’andro izy ireny ary tsy misy toerana izay tsy ahitana azy. Nankalazaina ny Sabotsy 12 Jona teo ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Nisy araka izany ny atrikasa hampitain-davitra nokarakarain’ny Ministeran’ny Asa sy ny asam-panjakana, notronin’ny UNICEF sy ny PNUD ary ny OIT. Nivoitra nandritra izany ny fitadiavan’ny roa tonta paikady hahafahana mampihena ny tahan’ireo zaza tsy ampy taona misehatra amin’ny tontolon’ny asa sahady tao anatin’ilay lohahevitra hoe : Andao foanana dieny izao ankehitriny izao ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Tsiahivina moa fa ny 31%-n’ireo zaza tsy ampy taona efa miasa eto amintsika dia eny anivon’ny tontolo ambanivohitra ambanivohitra avokoa raha eny an-tanan-dehibe ny 11%.

Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap