ihany koa ny fihinanana azy ireny indrindra fa ho an’ny tanora. Ho antsika eto Madagasikara dia mahatratra 8300 isan-taona ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny fifohana sigara raha mahatratra ny 8 tapitrisa isan-taona izany maneran-tany. Tena betsaka io tarehimarika io raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Mitombo tsy an-kiato mantsy ireo olona mifoka sigara eto amintsika. Ho an’ny tanora manokana indrindra fa ny zazalahy kely dia tafakatra 10 % ny tahan’izy ireny manjifa izany ho an’ireo 13 ka hatramin’ny 15 taona. Ho an’ny lehilahy lehibe kosa dia mahatratra 38% eo ho eo ny fanjifan’izy ireo ny sigara raha 14% ny an’ny vehivavy. Nankalazaina omaly 31 mey ny andro manerantany iadiana amin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky. Nisy ny hetsika fanentanana nentina nanamarihana izany tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Mikasika ny voly paraky manokana dia fantatra fa 3,5 tapitrisa isan-taona ny tany simba vokatry ny fambolena azy ireny raha mahatratra 600 tapitrisa isan-taona ny hazo tapaka amin’ny fanamboarana sigara. Rano 22 miliara litatra ihany koa no fantatra fa very.
Nangonin’i Pati
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.