airtel

Sosialy

24-avril-2024

Madagasikara

Tena mbola mitoetra be ny tsy fanjarian-tsakafo lalina

Sample post image

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

24-avril-2024

fanjariantsakafo hoy i RAOBELINA Holy, « nutritionniste » sy tomponandraikitry ny fanjariantsakafo eo anivon’ny FAO. Raha ny eto Madagasikara manokana dia mbola mitoetra be ny tsy fanjarian-tsakafo lalina hoy Charles Boliko, solotenan’ny FAO eto Madagasikara. Faritra roa isany tany mamokatra saingy ahitana tahana tsy fanjarian-tsakafo ambony ny faritra Vakinankaratra sy Itasy raha ny nambarany. Mbola maro ireo faritra tokony hiasana be amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo raha ny fanazavana hatrany. Zavatra azo atao tsara hoy ity solotenan’ny FAO ity raha misy ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Nisy moa ny atrikasa mahakasika ny fitadiavana vahaolana hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo, fijerena ireo soson-kevitra momba ny sakafo ary atrikasa hanatsarana ny tontolon’ny fanjariantsakafo notanterahan’ny FAO anio tetsy amin’ny Carlton Anosy. Kendrena ao anatin’izany ny hamolavola sy hanangona ireo soson-kevitra ho entina manatsara ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.
Lalaina RAV
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap