airtel

Sosialy

24-nov-2021

Sosialy

Madagasikara Tsy fantatra mazava ny isan’ireo manana fahasembanana

Sample post image

Hofantarina manomboka izao ny tena isan’ireo olona manana fahasembanana eto amintsika hahafahana manampy azy ireny ka hahatonga azy ho afaka

24-nov-2021

 handray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny firenena fa tsy sanatria ho vesatra foana ho an’ny ankohonany. Fantatra izany omaly nandritra ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Instat izay nisoloan’ny tale jeneraliny tena Atoa Isahora Zefania sy ny vovonan’ny federasiona mandray an-tanana ireo olona manana fahasembanana eto Madagasikara na ny PFPH-MAD. Ny global disability inclusion no mamatsy vola ny asa izay hanomboka tsy ho ela ny fanatanterahana azy. Nivoitra nandritra ny fihaonan’ny roa tonta fa mbola tsy tena manana ny isan’ireo olona manana manerana ny Nosy marina isika eto Madagasikara. Tsy mitsaha-mitombo mantsy izy ireny ary tokony hotohanana sy hampiana fa tsy sanatria afenina any an-tokantrano any fotsiny. Tanjona ny hahatonga azy ireny tsy hisy ho tavela na dia iray monja aza.
Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahin’ny roa tonta omaly teny Behoririka
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap