airtel

Sosialy

09-avril-2024

Mafana ny toe-draharaham-pirenena

Ho ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny tetikasa «Tazana»

Sample post image

Ny 12 aprily izao no nikasana hanatontosana ilay tetikasa «Tazana»

09-avril-2024

eny amin’ny Espace Tazana Alasora izay iarahanay sy ny Antso fiarahamonina Kristianina na AFK mikarakara ary mitondra ny lohahevitra hoe «Manao ahoana ny fahitanao ny hoavin’i Madagasikara, hamirapiratra ve sa tsy misy antenaina?», hoy ny antoko politika Natiora omaly. Ny tanjona moa dia ny hoe mba hitovian’ny malagasy fijery, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mihari-Ni-Rencho. Miisa 50 eo ireo nasaina. Nisy moa ireo nilaza fa ho avy. Nisy ny niala tsiny mialoha fa tsy afaka. Efa nahazo ny fanasana ny 90%. Nilaza ny ankamaroany fa tena mety ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny tetikasa. Efa vitavita daholo ny fanomanana rehetra. Efa vonona izahay saingy isika nefa moa ankehitriny akatoky ny fifidianana solombavambahoaka. Mafana dia mafana koa ny toe-draharaham-pirenena amin’izao manakaiky fifidianana izao. Rehefa nivory izahay mpikambana anatin’ny antoko Natiora ary nifampizara ny antony rehetra na ny antony avy aty amin’ny mpitandro filaminana io ary ho fitandroana ny filaminana noho ny toe-draharaha mafana, akatoky ny fifidianana koa ary noho ny antony izay tsy ho lazaina eto dia nanapa-kevitra izahay fa ho ajanona aloha io hetsika saika ho atao ny 12 aprily io. Ho ahemotra amin’ny fotoana manaraka kosa, hoy hatrany ny fanambarana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap