airtel

Sosialy

12-oct-2022

Sosialy

Mahajanga Nitokona ireo mpirotra trondro

Sample post image

Nitokona vao maraina omaly ireo mpivarotra trondro ao Mahajanga. Noravan’ireo polisy monisipaly tamin'ny 3 ora maraina mantsy ny toeram-pivarotan'izy ireo.

12-oct-2022

Maro tamin’ireo mpivarotra noho izany no tezitra mafy noho ny fikitikitihana ny velon-tenany izay tsy nisy fampiomanana akory. Nisy ny fihaonan’ny tompon’andraikitra tamin’izy ireo araka izany ka nitohy hatramin’ny omaly hariva ny fihaonana nentina nitadiavam-bahaolana. Nisy araka izany ny tapaka ho marimaritra iraisana niarahana tamin'ireo solontenany mpivarotra. Tsy ho tafiditra ao amin'ny bazary fitim avokoa mantsy ny mpivaro-trondro rehetra. Mbola misy toerana malalaka hafa afaka hampidirana azy ireo eny amin'ny bazary Tsaramandroso sy Marolaka. Hizara telo araka izany izy ireo. Nifanaraka ny roa tonta fa tsy azo atao intsony ny mivarotra trondro amin'ny côté bain douche noho ny lafiny ara-teknika izay mety hitera-doza. Lohalaharana amin’izany ny lafiny ara-pahasalamana ary ny lafin’ny fifamoivoizana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap