airtel

Sosialy

31-mai-2022

Sosialy

Mahajanga Voky valala ny olona omaly

Sample post image

Novangian’ny andiam-balala marobe ny tao Belinta Amborovy omaly folakandro nanomboka tamin’ny 03 ora tany ho any.

31-mai-2022

 Saika maizina mihitsy ny tanana raha araka ny loharanom-baovao voaray noho izany ka saika nivoaka nifarimbona nisambotra izany avokoa ny isan-tokantrano. Nisy nahazo hatramin’ny 20 kapoaka mihitsy ny sasany, valala izay fantatra fa tafiditra ao anatin’ireo karazany azo hanina raha araka ny vaovao nampitain’ny mponina hatrany. Avy any amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny ireto andiam-balala ireto no nisidina hoy hatrany ny vaovao, mitady fambolena azo haripaka sy hohanina. Avy hatrany dia namantana tany an-tanana anefa izy ireo ka noraofin’ny mponina. Na izany aza dia manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra misahana izany ny mponina mba hijery ireto valala ireto. Misy manahy ihany mantsy ny sasany amin’izy ireo fa sao hankarary ny fihinanana azy ireny no sady manimba ny fambolena ihany koa ka ilana fitandremana.
\Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap