airtel

Sosialy

25-mars-2022

Sosialy

Mahamasina Am-polony ireo mpivarotra tsy afaka nivarotra omaly

Sample post image

Nisavoritaka ireo mpivarotra tetsy Mahamasina manoloana ny kianja mitafo omaly maraina. Tsy afaka nivarotra namonjy ny toerana mahazatra azy isaky ny andron’ny Alakamisy mantsy ireo mpivarotra lamba miisa 40 teo ho eo

25-mars-2022

 noho ny fisian’ilay hetsika fizarana fanampiana sy fampidirana anaty fikambanana notanterahin’ny Fitondram-panjakana teny an-toerana, tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Nisy tamin’ny 04 ora maraina anefa izy ireo dia efa niala tany an-tokantranony handeha hivarotra omaly toy ireo mipetraka eny Analamahitsy. Vokany, nisy tamin’izy ireo no voatery naverina nody fotsiny. Nisy ihany koa anefa ireo tafajanona ihany saingy tsy maintsy nifindra teny am-pita nifanetinety tamin’ireo mpivarotra namany. Raha araka ny fanazavan’Atoa Andry, anisan’ireo mpivarotra dia tsy manakana velively ny hetsika hataon’ny Fitondram-panjakana tahaka izao izy ireo saingy tokony hisy fampandrenesana mialoha kosa. Ho an-dRtoa Sandra indray izay mbola mpivarotra ihany koa dia anisan’ny tena nampalahelo azy ny fanaovana izao hetsika izao omaly Alakamisy andro tsena. Fa angaha tsy maintsy andro tsena no hanaovana izany hoy izy ? Misy olana angaha hoy hatrany izy raha anio zoma na rahampitso sabotsy izany vao tanterahina ho fitsinjovana ny fahasahiranan’ny vahoaka. Nomarihin’izy ireo moa fa mpivarotra mandoa haban-tsena ara-dalàna amin’ny kaominina izy ireo.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap