Vehivavy iray tsy manan-kialofana, voalaza ho mpirenireny ao Mahavelona, distrikan’Ankazobe no hita faty. Ny Alatsinainy 12 Oktobra teo no nahitana ny razana tao amin’ny Fokontany Andrianony Manjaka. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nipetraka tao anaty lava-bato antsoina hoe : Ambatomborondolo io vehivavy io fony fahavelony. Mbola tao ihany koa no nahitana ny razana ka efa simba ny lohany sy ny tanany. Voalaza ho vokatry ny fihinanan’ny biby azy no nahatonga izany ka tsy maintsy nalevina haingana ny razana. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny antony tena nahafaty azy. Tsy mbola fantatra moa ireo fianakavian-dRatompokovavy. Miantso izay mahalala azy sy ny havany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Mahavelona noho izany mba hanatona ny biraon’ny kaominina. Tsiahivina fa mihamaro ireo olona tsy misy mpiraharaha eny anivon’ny fiaraha-monina amin’izao. Vokatry ny fahasahiranana avokoa no mahatonga izany koa na misy manan-janaka aza izy ireny dia tsy ahoan’ireto. Mila hamafisina araka izany ny paikady fandraisana an-tanana ireo olona voasokajy ho marefo eto amintsika. Lohalaharana anisan’izany ireo zokiolona tsy manam-piahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tao anaty lava-bato tahaka izao no hita ny razana !