airtel

Sosialy

13-juil-2023

Sosialy

Malagasy sahirana isan’andro Mora marary, tsy misakafo araka ny tokony ho izy

Sample post image

Rehefa voky dia izay no zava-dehibe ho an’ny isan-tokantrano noho ny fahasahiranana lavareny hiainan’ny tsirairay.

13-juil-2023

Tsy ilay kibo mahare feno anefa no tena manan-danja raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Rija Mandimbison eo anivon’ny tobim-pitsaboana Ainasoa fa ilay kalitaon’ny sakafo hohanina. Tafiditra ao anatin’izany ireo mampiakatra ny hery fiarovana sy mampisy otrik’aina toy ny sakafo misy vitamina, kalsioma, potasioma, fer ary zinc. Tsy latsa-danja amin’ireo ireo karazan-tsakafo telo ahitana ny lipida, gliosida ary ny proteina. Ny tena mampalahelo anefa hoy hatrany ny fanazavana azo dia isika Malagasy no tena malaza mpihinana sakafo tsy miovaova indrindra. Rehefa vary sy laoka dia vary sy laoka ary mitovy hatrany ny fomba fiketrehana azy hany ka mora marary ny rehetra. Tsy ampy mihitsy ny hery fiarovana ka mirongatra sy mahazo vahana ny sery, ny gripa mahery, ny tazo….Tsiahivina moa ho azy ireo manokana fa mbola mitohy ilay fizarana Calvit maimaim-poana ho an’ireo olona tonga mitsabo tena ao aminy. Hifarana amin’ny faran’ity volana ity izany, manana tanjona hanampy tosika ny sakafo hohanin’ny tsirairay mba hitondra hery sy tanjaka ho azy izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.

Card image cap