airtel

Sosialy

07-avril-2022

Sosialy

Mampihinana ny maloto Tovolahy 3 tratra nanarato teo Anosy

Sample post image

Tovolahy kely miisa 3 no tratra nanarato tondro maloto tetsy amin'ny farihin'Anosy ny 03 Aprily lasa teo. Vao omaly Alarobia ihany koa dia tovolahy iray no mbola tratra nanao izany izay marihina fa ten mampihina-maloto olona.

07-avril-2022

 Raha tsiahivina mantsy dia rano maloto avy ao amin'ny hopitaly Hjra no mivarina ao amin'ny farihin'Anosy. Toraka izany koa ireo toeram-pivoahana sy rano maloto avy amin'ny tokantrano manodidina ankoatra ny maloto hataon'ny sasany. Efa nosamborina moa izy 4 mirahalahy ireto. Miantso ny mponina eny amin'ny manodidina mba hampandre azy araka izany ny polisy monisipaly raha vantany vao mahita mpaka trondro na mpanarato eny amin'iny faritra iny. Ny laharam-pinday 0344210533 na ny 0344967256 no hahazoana azy. Marihina moa fa mankarary ary mety hitera-doza ho an'ny fahasalamana mihitsy ny fihinana trondro maloto raha araka ny fanazavan'ny mpitsabo.
Pati
Legende : Santionany amin'ireo tovolahikely !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap