airtel

Sosialy

13-avril-2021

Sosialy

Manahy mafy ny FISEMARE “Tsy fantatra intsony izay hiseho amin’ny 2022”

Sample post image

Taorian’ny hetsika izay notontosain’ny avy eo anivon’ny Firaisankinan’ny sendika Malagasy revolisionera tetsy amin’ny

13-avril-2021

 

 

 

 foibeny etsy Anjanahary ny sabotsy teo izay nandinihina ny fandrodanan’ny mpanam-bola ny foiben’izy ireo teo aloha tetsy Ankadifotsy dia nanazava ny tohin’izany omaly ny sekretera jeneralin’ny FISEMARE, Jean Raphael Mananandro. Notsiahiviny fa fampivarotana tsy ara-dalana no natao teo anivon’ny kaominina mikasika izany. Tsy ara-dalana koa ny didy navoaka nentina nandrodanana io foibe io, hoy izy, satria fitsarana ady maika no namoaka didy fandrodanana. Mikorontana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara ary nisy ny tatitra natao mikasika ny fiainan’ny mpiasa Malagasy. Tsy misy mpiasa manana fialantsasatra na “congé” izao fa ananan’ny mpampiasa indray aza. Latsaky ny 200.000 ariary ny karaman’ny mpiasa sasany. Ireny fitokonan’ny mpanara-maso ny asa ireny dia porofo fa mikorontana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Naneho hevitra mikasika ny fanavaozana ny lalana mifehy ny asa izahay ary nandefa hafatra ho an’ny minisitera voakasika hoe izany no resaka nefa solontena miisa 4 na 5 avy amin’ny mpiasa ihany no nandray anjara. Tsy tokony ho lalaovina toy izany ny fiainan’ny mpiasa fa tokony hisy atrikasam-pirenena handraisan’ny sehatra rehetra, fara-faha ratsiny 2 isan-tsehatra. Tsy fantatra intsony izay ho fiafarany amin’ny 2022 raha mbola jerena amin’izao ny toe-draharaha. Aleo ny filankevim-pirenena momba ny asa na CNT handray ny asany fa tsy misy dikany ny nananganana io rafitra io raha tsy avela hiasa, hoy hatrany ny FISEMARE, manahy mafy.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap