Hatramin’ny nandalovan’ny rivodoza farany teo tany amin’ity distrika iray ity mantsy dia tafakatra 1.000 Ar ny kapoakam-bary any an-toerana. Noho ny fahapotehan’ireo karazam-bokatra rehetra misy any amin’ity distrika iray ity no mahatonga izany toy ny vary, mangahazo….Vokany, tsy mahatakatra izany ny ankamaroan’ny isan-tokantrano hany ka reraky ny hanohanana ankamaroany ary efa nisy namoy ny ainy mihitsy. Zara raha mahita izay harapaka ny isam-batan’olona isan’andro. Noho io trangan-javatra misy io indrindra no nanosika ny FID hanampy ireo mponina any an-toerana. Lalana mirefy 12 km ao Kamoina Ambohimisafy sy Tolongoina no hasiam-panamboarana amin’ny alalan’ny asa tana-maro. Olona miisa 600 isan’andro no hampanaovina izany mandritra ny 20 andro, karamaina 6.000 Ar isan’olona isan’andro. Vehivavy ny an-tsasa-manilan’izy ireo. Ny mba hanomezana asa ny mponina no tanjona, indrindra fa ireo Raim-pianakaviana sy Renim-pianakaviana. Ankoatra io lalana io dia lalamby mirefy 16 km eo anelanelan’i Onilahy sy Manampatra ihany koa no hasiam-panarenana hisorohana ny mety ho fihotsahan’ny tany sy ho fandraisana anjara amin’ny fanarenana FCE. Nambaran’ny Ben’ny tanàna ao Manampatrana fa rehefa mandeha ny lamasinina dia afaka hamidy any Fianarantsoa ihany koa ireo karazam-bokatra misy any amin’ny distrikan’Ikongo ka sady afa-pahasahiranana ny vahoaka no hidiram-bola ihany koa ny kaominina.
Pati
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.