Ankizy 4 izay iray tampoha ny 3 no indray nilatsaham-potaka. Tao amin’ny Fokontany Ambohitsoa no nitrangan’izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia fianakaviana nanao fety ireto tra-doza ireto. Avy ny orana tamin’ny fotoana nanaovana ny fety ka taorian’ny lanonana natao teny an-tokontany dia notohizana tany an-trano izany. Nandritra izany indrindra anefa no nilatsahan’ilay varatra tao ambany rihina ka izy 4 mianadahy ireo no lasibatra. Tovovavy efa 18 taona ny iray antsoina hoe : Malalatiana. 13 taona kosa ny iray raha 10 taona ny iray, izy 3 mianadahy ireto izay namoy ny ainy avokoa.Efa nalefa haingana tany amin'ny hôpitaly kosa ny iray ary efa tsy misy ahiana intsony ny ny fahasalamany, raha araka ny fantatra. Tsiahivina moa fa saika mamono olona hatrany ny varatra eto amintsika rehefa fotoanan’ny orana tahaka izao, indrindra fa any ambanivohitra .
Pati
Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana
Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.
7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,
Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra
Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.
Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano