airtel

Sosialy

15-avril-2021

Sosialy

Manizingizina ny FITRAMA Sitran’ny raokandro Malagasy sy ny CVO ny Covid 19

Sample post image

Mahazo vahana tanteraka eto amintsika ilay valan’aretina COVID 19 sy ilay variant avy atsy Afrika Atsimo.

15-avril-2021

 

 

Betsaka ireo efa namoy ny ainy raha betsaka ihany koa ireo efa manaraka fitsaboana. Aretina azo sorohana tsara sy sitran’ny raokandro Malagasy sy ny CVO anefa izy io raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA.

FIJOROANA VAVOLOMBELONA

Olona nitsabo tena tao aminy tratran’ny COVID 19 ireto mijoro vavolombelona manaraka ireto.Tahaka izao ny resaka nifanaovany tamin’ny gazety Tia Tanindrazana.

Hasina, Renim-pinakaviana 24 taona : Tao anatin’ny herinandro izaho no nanomboka tsy salama. Nanao koho-maina be, nihareraka ihany koa nefa indraindray mba azo hiafiana ihany. Ankoatra izay dia tsentsina be ny oroko dia narary ahy mafy ihany koa ny lamosiko. Nanantona ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA aho taorian’izany ka kininim-potsy sy ravintsara no nasainy nataoko niampy ilay Sirpa rapida sy sinda rapida izay tena mandaitra tokoa. Ankehitriny efa niova tanteraka ny fahasalamako.

Tonton Pa : Narary andoha tsy nijanona no niantombohan’ny aretina roa herinandro lasa izay. Narary ihany koa ny masoko no sady nanaikitra ny vanin-taolako. Tsy sahy niteny anefa aho hoe : voan’ny COVID satria tsy mbola nanao test saingy ny fahatsapako azy dia efa COVID mihitsy ilay nahazo ahy. Nanotika be tampoka ihany koa ny kiboko, marary ny lamosina…Rehefa nitsabo tena tao amin’ny FITRAMA za dia nampiasa ilay huille essentielle Nialoi. Natao tao anaty rano mafana tapaky ny zinga izy ary nevohina. Avy eo nosotroina ary nahazo hafanana ka tsemboka tanteraka dia nihafana. Ankehitriny efa salama tsara aho.

Fanjaniaina, 38 taona : Fanina indray no niantombohan’ilay aretina no sady narary ny loha. Dia tsy nahavoaka feo ihany koa za ary tsy nahare fofona. Rehefa notsaboina tato amin’ny FITRAMA ny tenako dia nampiasa ilay fanafody Sinda rapida sy Sirpa rapida niampy kininim-potsy. 15 minitra taorian’izay dia niverina ho salama tsara ary tsy maninona intsony mandrake androany.

AZO RESENA AO ANATIN’NY VOLANA VITSY

Nanamafy araka izany Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy fa azo resena ato anatin’ny volana vitsy monja ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika. Azo tsaboina amin’ny raokandro Malagasy tsara mantsy izany hoy izy ary tsy azony ekena ny fanambaniana ny CVO izay efa vita essai Clinique. Hankasitrahanay feno ny fisian’ny orinasa mpanodina manokana io vokatra io natsangan’ny fanjakana eto amintsika hoy hatrany izy. Tsy olona iray araka izany hoy izy no afaka hiteny fa mahita vahaolana amin’ny ady amin’ny Covid 19 satria ho azy ireo manokana ohatra dia efa 12 volana no niainany tao anatin’izany. Nomarihiny moa fa tany nofidin’Andriamanitra i Madagasikara tamin’ny fanomezany ireo zava-maniry Malagasy hahafahantsika mitsabo tena fa tsy avy amin’olona akory. Ny ED1 moa dia notsiahiviny fa huile essentielle Niaoli avy any Vohipeno sy Manakara no hanamboarana azy izay efa fampiasan’ny mpitsabo nentim-paharazana maro.

Pati

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap